Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 96 249 amin’ny teny malagasy
I Plôtinôsy dia filôzôfa platônisiana helenista, grika-rômanina niana tamin' ny tapany farany amin' ny Andro Taloha, teraka tany Ejipta nofehezn' ny Rômana tamin' ny taona 204 na 205 sy lehibe tany ary maty tamin' ny taona 270. Atao hoe Πλωτῖνος / Plōtînos izy amin' ny teny grika.

I Amôniôsy Sakasy (grika: Ἀμμώνιος Σακκᾶς / Ammônios Sakkâs), izay filôzôfa nampiana-tena sady anisan' ny mpandala ny filôzôfian' i Platôna, no mpampianatra an' i Plôtonôsy. Heverin' ny manam-pahaizana môderina ho mpanorina ny neôplatônisma i I Plôtinôsy. Izy no solontena manan-danja teo amin' ny hetsika filôzôfika neôplatônisiana: amin' ny alalany dia niatrika ny hetsika gnôstika isan-karazany izay manakaiky ny kristianisma sy ny manikeisma ny fandinihana grika klasika nanomboka taminy. Mpanohy an' izany ansoina hoe Gaius Musonius Rufus sy Lucius Annaeus Seneca ary Epiktetôsy izany i Plôtinôsy izay anisan' ny filôzôfa lehibe tamin' ny vanim-potoan' ny Empira Rômana ary olon-kendry tany Gresy.

Ny mpahay tantara tamin' ny taonjato faha-19 no namorona ny teny hoe "neôplatônisma" ary nampiasa izany mba hanondroana an' i Plôtinôsy sy ny filôzôfiany, izay nisy fiantraikany be tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha sy tamin' ny Andro Antenatenany ary tamin' ny Renaissance.

Ny ankamaroan' ny fampahalalana momba ny fiainan' i Plôtinôsy dia avy amin' ny sasin-tenin' i Pôrfiriôsy (grika: Πορφύριος / Porphýrios) tamin' ny fanontany ny asasoratra malaza indrindra nataon' i Plôtinôsy, ny Ἐννεάδες / Enneades. Tao amin' ireo asasorany momba ny metafizika, i Plôtinôsy dia namaritra foto-javatra telo: ny ἕν / hen '"Iray", ny νοῦς / noûs "Saina" na "Faharanitan-tsaina" ary ny ψυχή / psukhḗ, "Fanahy". Ny asasorany dia nanome aingam-panahy nandritra ny taonjato maro ho an' ny metafizisiana sy mistika paganista, jiosy, kristiana, gnôstika, ary mozilmana tany am-boalohany, anisan' izany ny famolavolana fitsipi-piainana izay misy fiantraikany amin' ny foto-kevitra ara-teôlôjia mahazatra ao amin' ny fivavahana maro, toy ny asasorany momba ny fifanoheran-droa ao anatin' ny "Iray" noho ny fanananany toetra metafizika roa.

Nanorina ny sekoliny tany Rôma izy tamin' ny taona 246, ary i Amelius no mpianany voalohany. Loharanon' aingam-panahy lehibe ho an' ny fandinihana kristianina izay vao niforona tamin' izany fotoana izany ny famerenany mamaky ny asasoratr' i Platôna atao hoe Resadresaka, indrindra ho an' i Aogostino avy any Hipôna, ary nisy fiantraikany lalina teo amin' ny filôzôfia tandrefana izany. Navoakan’ i Pôrfirôsy avy any Tirôsy, izay mpianany, ny fitambaran' ny asasorany rehetra, izay nampitambatra azy ireo tamin' ny endrika Ἐννεάδες / Enneades tao anatin' ny andian-dahatsoratra sivy. (tohiny...)


Sarin-tanin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Sodàna sy i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.


Ny tantaran' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia voamariky ny fisian' ny fisian' ny fanjakana maro madinidinika tany aloha, ny fahatongavan' ny Eorôpeana, ny fivarotana andevo, ny fanjanahan-tany belza, ny fahaleovan-tena, ny ady an-trano, ny fanonganam-panjakana, ny fitsabahan' ny firenena mpifanolo-bodirindrina, ary ny fizorana mankany amin' ny demôkrasia.


Efa nisy olona ity faritra ity tamin' ny 200 000 taona tal. J.K. Ny lemaka midadasika kôngôley tamin’ izany fotoana izany dia rakotry ny ala tsy nisy nanimba. Tany amin’ ny taonarivo faharoa dia nisy mpamboly banto, avy any amin' ny faritra eo anelanelan' ny tapany atsinanan' i Nizeria sy ny Grassfields any Kamerona, hatramin' ny 2600 tal. J.K., niditra tao amin’ io faritra io ka niorim-ponenana amin’ ny morontsiraka sy teny amin’ ny lembalemba atsinanana sy atsimo, ka teny izy ireo no nanangana fiarahamonina tarihin’ ny lehibem-poko.

Nisy ny fanjakà-mpanjaka niorina koa teo anelanelan' ireo taonjato voalohany taor. J.K. sy ny taonjato faha-15, ka ny lehibe indrindra amin' ireo dia ny Fanjakan' i Loba (Luba) sy ny Fanjakan' i Londa (Lunda) ary ny fanjakan' i Kôngô (Kongo). Tamin’ ny taona 1482 dia nifandray voalohany tamin’ ny fanjakà-mpanjaka banto tao Kôngô (Kongo) ny Pôrtogey. (tohiny...)


Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

 

 

 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia