Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 850 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

I Eorôpa dia kôntinenta hita manontolo ao amin' ny ila-bolantany avaratra sady manana ny ampahany be amin' ny taniny ao amin' ny ila-bolantany atsinanana, izay voafaritry ny kôntinentan' i Azia avy ao atsinanana, ny Ranomasina Mediteranea avy ao atsimo, ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' i Nôrvezy avy ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Arktika avy ao avaratra i Eorôpa. Matetika dia zaraina ho faritra efatra i Eorôpa ka ahitana an' i Eorôpa Avaratra, i Eorôpa Andrefana, i Eorôpa Afovoany, i Eorôpa Atsinanana ary i Eorôpa Atsimo.

I Eorôpa dia tenenina matetika fa anisan' ny kôntinenta enina misy eto an-tany. Izy io dia ny faritra andrefana amin' i Eorazia na faritra avaratra ao amin' ny kôntinentan' i Afrô-Eorazia, arakaraky ny fomba fijery. Ny solonanarany dia hoe "Tontolo Antitra", satria mifanohitra amin' ny "Tontolo Vaovao" (zany hoe i Amerika). Ao Eorôpa dia misy kolontsaina maromaro manana fianjadiana ary lova iraisany.

I Eorôpa dia kôntinenta faharoa kely indrindra eto an-tany amin' ny lafiny velaran-tany (10,18 tapitrisa km2), na 2 %-n' ny velaran' ny tany maina na 6,8 %-n' ny velaran-tan' ny Tany. Misy firenena dimampolo ao Eorôpa, ary i Rosia no ngeza indrindra amin' ireo na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany, ary i Vatikàna no firenena kely indrindra amin' ireo, na amin' ny lafiny isa-mponina na amin' ny lafiny velaran-tany. I Vatikàna koa no firenena kely indrindra eto an-tany. (tohiny...)


Asia (orthographic projection).svg

I Azia na Asia dia kôntinenta izay ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny sisiny manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin'ny kontinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 %n' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.

Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: isan' izany ireo nosy Filipina sy ireo nosin' i Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ireo nosin' i Japàna sy ny nosin' i Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ireo tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva ary ireo nosy Andamàna sy Nikôbara. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Calliteara pudibunda caterpillar.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia