Emirata Arabo Mitambatra

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainam-pirenenan'i Emirata Arabo Mitambatra

Ny Emirata Arabo Mitambatra dia Fanjakana federaly niforona tamin'ny taona 1971, izay hita ao Atsinanana-Afovoany eo anelanelan'ny Helodrano Persika sy ny Helodranon'i Omàna. Izao avy ireo emirata miisa fito mamorona azy: Abo Daby, Ajmàna, Sarjaha, Dobay, Fojairaha, Raselkaimaha ary i Omalkaioaina. Ny renivohitra iraisany dia ny tanànan'i Abo Daby.

Atao hoe الإمارات العربية المتحدة / al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida na دولة الإمارات العربيّة المتّحدة / dawlat al-imārāt al-ʿarabiyyat al-muttaḥida izy amin'ny teny arabo.

Isan'ireo firenena mpamokatra sy mpanondrana solitany be indrindra ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny emiratan'i Abo Daby, izay efa tao amin'ny Fikambanan'ny Firenena Mpamokatra Solitany talohan'ny niforonan'ny Emirata Arabo Mitambatra, no ahitana tahirin'etona sy tahirin-tsolitany lehibe indrindra, Ireo emirata fito mitambatra ao ireo dia tsy mitovy raha ny fananana solitany no resohina. Ny emiratan'i Dobay dia nivadika nitrandraka loharanon-karena hafa taty aoriana, ka isan'izany ny seranan-tsambo afa-kaba, ny haitao vaovao, ary indrindra ny fizahan-tany. Ny tananan'i Dobay koa dia lasa renivohitra ara-toekaren'ny Emirata Mitambatra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany