Fiteny italiana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
italiana
italiano

Isan'ny mpiteny 65 tapitrisa
Faritany Flag of Italy.svg Italia, Flag of Switzerland.svg Soisa, Flag of Malta.svg Malta, Endrika:San Marino, Endrika:Vatican
Sata Teny ofisialy any Flag of Italy.svg Italia, Flag of Switzerland.svg Soisa, Endrika:San Marino,  Vatican City ary ao amin'ny Flag of the European Union.svg Vondrona Eoropeana


Ny fiteny italiana dia ny fiteny tenenina any Italia, any San Marino ary any Vatikàna.[1] Isan'ny fiteny rômana ny fiteny italiana izay tenenin'ny olona miisa 66 tapitrisa any ho any. Heverin'ny mpahay teny ho teny tokana mizara fitenim-paritra maro ny fiteny italiana. Nisampana avy amin'ny fiteny latina ny fiteny italiana, sahala amin'ireo fiteny rômana hafa toy ny fiteny frantsay, ny fiteny espaniola, ny fiteny portogey sns. Ny fiteny italiana no fiteny mifanahaka indrindra amin'ny fiteny latina.

Itenenana italiana koa ny any Soisa atsimo, ny any Sisilia, ny any Korsa, ny any Sardaina, ny any amin'ny morontsiraka avaratra atsinanan'ny Ranomasina Adriatika, ny any Amerika Avaratra ary ny any Amerika Atsimo.

Boky azo anovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]

Loharano[hanova | hanova ny fango]

  1. Berloco 2018