Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 641 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Trano bezanozano
Tanàna bezanozano

Ny Bezanozano dia vondrom-poko eto Madagasikara, ao amin' ny tany lemaka manodidina an' i Mangoro, voafaritry ny tany onenan' ny foko Sihanaka ao avaratra, ny Betsimisaraka ao atsinanana, ary ny Merina ao andrefana. Ireto ny tanàn-dehibe ao: Moramanga sy Beparasy ary Anjiro. Ny Bezanozano dia heverina fa anisan' ny vondrom-poko malagasy voalohany niorim-ponenana teto Madagasikara, izay monina any amin' ny faritra afovoan-tany eo anelanelan' ny faritra iva misy ny Betsimisaraka sy ny havoanan' Imerina. Izy ireo dia mifandray amin' ny Vazimba, mponina voalohany indrindra teto Madagasikara, ary ireo fasana vazimba maro manerana ny faritra misy ny Bezanozano dia toerana fanaovana fivahiniana masina sy fombafomba ary sorona, na dia mino aza ny Bezanozano fa tsy fantatra ny taranak' ireo razana tranainy indrindra ireo. Toy ny Merina izy ireo ka manao lanonam-pamadihana. Manodidina ny 100 000 ireo Bezanozano mipetraka eto Madagasikara tamin' ny taona 2013.

Ny varotra andevo sy ny varotra tamin' ireo sambo mpivarotra Eorôpeanina teny amin' ny morontsiraka atsinanan' i Madagasikara tamin' ny taonjato faha-18 dia nanan-karena be ny Bezanozano ka nahatonga ny fipoiran' ny tanànan' ny mpivarotra lehibe toa an' Ambatondrazaka sy Moramanga tao amin' faritra Ankay. Noteren' ny mpanjaka merina Andrianampoinimerina hanompo azy izy ireo tamin' ny voalohany, tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-18, ary voafehin' ny mpanjaka Radama I tanteraka nanombola tamin' ny taona 1817. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Archives and the port.jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia