Wikipedia:Fandraisana

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Tonga soa eto amin’i Wikipedia
ny raki-pahalalana malalaka azon’ny tsirairay ovaina
Lahatsoratra 94 570 amin’ny teny malagasy

Nuvola filesystems services.svg Takelak’ity volana ity

Ny Maroserana na Maroseraña na Marosaraña dia andriana nanjaka tao amin' ny Sakalava, izay nanangana ny Fanjakan' i Menabe sy ny Fanjakan' i Boina nitambatra ho Fanjakana Sakalava taty aoriana. Heverina fa Andriamisara no razambe mpanorina ny tarana-mpanjaka Maroserana, ary i Andriamisara dia zanak' Andriamandazoala, izay Zafiraminia avy any amin' ny Antesaka, any amin' ny tapany atsimo-atsinanan' i Madagasikara. Nanorim-ponenana ao amin' ny faritr' i Fiherenana, izay faritra misy an' i Toliara ankehitriny, ny Maroserana, manodidina ny taonjato faha-16.

Misy loharano izay milaza fa ny tarana-mpanjaka Maroserana dia mety ho avy amin' ny Kôntinanta Afrikana, avy amin' ny empira ara-barotra izay namorona an' i Mutapa[1]. Ny loharano hafa, izay heverina ho tsy marim-pototra amin' izao fotoana izao, dia molaza fa manam-piaviana indiana ny Maroserana.

Na izany na tsy izany, dia niorim-ponenana teo amin' ny mponina teo an-toerana izy ireo ary nahazo ny toeran' ny mpitondra ara-pôlitika sy ara-pivavahana. Ny fahitana volamena tao amin' ny fasan' izy ireo dia manambara ny nisian' ny lalam-barotra tonga hatrany Zimbaboe. Ankoatra izany, nisy ny fifampiraharahany tamin' ny Eorôpeana (Pôrtogey sy Frantsay) tonga teny amin' ny morontsiraka. Nahazo tombony betsaka tamin' ny varotra nifanaovany amin' ny Eorôpeana ny Maroserana, ka nahazo basy tamin' ireo mpivarotra eorôpeana ireo izay takalon' ny andevo nalefa tany amin' ny toeram-pambolena any Maorisy sy La Réunion. Izany no nananan' ny Maroseraña fahefana.

Araka ny tantara koa dia avy amin' ny Maroserana koa ny mpanjaka tao amin'ny tanin' ny Mahafaly. (tohiny...)


Artículo bueno.svg Lahatsoratra tsara vakiana

Ny tsimokaretina coronavirus

Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara, araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina. Vehivavy telo avy any Frantsa no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.

Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao Antananarivo na Toamasina ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.

Ny Institut Pasteur eto Madagasikara no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.

Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.

Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. (tohiny...)

Emblem-pictures.svg Sarin’ny anio

Brandenburg St-Katharinenkirche 03 (MK).jpg


Crystal 128 knode.png Ny vaovao

Mitranga amin'izao fotoana izao : Ny valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara ary eran'izao tontolo izao[ovaina]


Gnome globe current event.svg Efemerida

Pejy rehetra 

Sokajy 

Tetikasa wiki 

Nuvola apps localeSLO.png 

Nuvola apps kdmconfig.png 

Nuvola apps kcoloredit.png 

Filozofia 

Matematika 

Kolontsaina malagasy 

Ekolojia 

Teknolojia 

Simia 



  1. Izany empira izany dia nantsoina hoe Empiran' i Monomotapa, tao amin' ny tapany atsimo amin' i Afrika, mahafaoka an' i Zimbaboe sy Môzambika).