India

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
भारत गणराज्य ((hi))
Bhārat Ganarājya hi
Republic of India en
Repoblikan' India ((mg))
Sainan' India Fanevan' India
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : सत्यमेव जयते (Satyamēva Jayatē)
(avy amin'ny Sanskrity : Ny Marina ihany no izy)
India (orthographic projection).svg
Teny ofisialy fiteny hindi, fiteny anglisy, ary
fiteny hafa miisa 21 1
Renivohitra New Delhi
28° 34' N, 77° 07' E
Tanàna ngeza indrindra Mombay
Fitondrana sy governemanta
 - Filoham-pirenena
 - Praiminisitra
Repoblika federaly
Ram Nath Kovind
Narendra Modi
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 7
3 287 590 km²
9,5 %
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 2
1 147 995 898 mpo.
349 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Indianina
IDH (2006) Mihakatra 0,611 (anelanelany) faha 126
Sandam-bola Ropia (INR)
Faritr'ora UTC + 5,30
Hiram-pirenena Jana-Gana-Mana
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+91

I India dia firenena ao Azia Atsimo, i New Delhi no renivohiny ary i Bombay no tana-dehibe be mponina indrindra ao.

Ny anaram-pirenena hoe India dia avy amin' ny fiteny persana hoe Sindhu, anarana persana amin' ny fiteny sanskrity, ny renirano Indus. Ny anarana ôfisialy dia mampiasa ny teny Bharat (mpanjaka hindoa niaina taona taloha). Ny anarany fahatelo: Hindustan ("tanin' ny Hindoa" amin' ny fiteny persana), dia niasa tamin' ny taonan' ny Empira Môgôly, ilay teny Hindustan dia tsy ôfisialy intsony ankehitriny fa ampiasaina matetika rehefa miresaka an' i India.

I India no firenena be olona indrindra eo aorian' i Sina. Misy fiteny ôfisialy roapolo mahery eken' ny lalam-panorenan' i India. Ny tenim-pirenena dia ny fiteny hindy.

Mivelatra amin' ny halavana 7 000 km i India. Mizara sisintany amin' i Pakistàna izy any andrefana, sy i Sina, i Nepaly, i Botàna izy any avaratra. I Bangladesa sy i Mianmara any atsinanana. Eo amin' ny Ranomasimbe Indianina, tsy lavitry ny Repoblikan' i Maldiva (any atsimo-andrefana), i Seilàna (any atsimo-atsinanana). Mizara sisintany amin' i Afganistàna koa i India any avaratra-atsinanany.

Teo amin' ny tanin' i India no misy ny haifomba antitra indrindra eto an-tany. Misy fivavahana teraka teo amin' io kôntinenta io, toy ny bodisma, ny jainisma, ny hindoisma ary ny sikisma.

Mandritra ny taonjato roa, i India dia zanatany anglisy; izy no zanatany ngeza indrindra an' ny an' ny Britanika. Nahazo ny fahaleovantenany i India tamin' ny 1947. Tamin' io fotoana io, nisy ny tobim-barotra (kôntoara) frantsay sy pôrtogey tao India, naverina ho an' i India ireo kôntoira ireo taorian' ny fahazoany ny fahaleovantena.

Nihanivoatra be i India tamin' ny dimy ambin' ny folo taona farany teo, indrindra tamin' ny fanombohana ny fiovana demôgrafika nisy hatry ny 1991. Tamin' ny 22 Janoary 2007, niverina avy tany amin' ny habakabaka ny kapsily indianina tsy misy olona afaka 12 andro, izay nametraka marika siantifika sy teknika lehibe ho an' i India. Hatry ny taona 2008 anisan' ny hery ara-piharian-karena lehibe eto an-tany i India akaikin' i Sina, i Rosia ary i Brezily; ary i India no hery ara-piharian-karena fahavalo eto an-tany.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Nipoitra tao India ireo fiteny klasika roa (fiteny sanskrity sy fiteny tamily) misy eto amin' izao tontolo izao. Efa nampiasaina mandritry ny telo arivo taona ireo fiteny roa ireo. Namorona finoana antsoina hoe hindoisma ilay firenena, finoana izay mbola arahan' ny maro amin' izareo amin' izao fotoana izao. Tamin' ny taona 300 tal. J.K., dia namorona ny empira sy ny Fiankohonana Maurya i Ashoka, izay nahavory ny ankamaroan' ny tanin' i Azia Atsimo ho anaty firenena iray. Tamin' ny taona 180 tal. J.K. dia voatafiky ny firenena maro samihafa i India na dia taty aoriana aza (100 – 1100), dia nipoitra ireo fiankohonana indianina hafa: izay ahitana ny Chalukya, ny Chola, ny Pallava ary ny Pandya.[1] Tamin' izany fotoana izany dia nalaza tamin' ny siansa, ny zavakanto ary ny asa soratra ny faritra atsimo ao India.

Maro ireo fiankohonana nanjaka tao India nandritry ny taona arivo. Anisan' ireo ny empira Mughal, Vijayanagara ary ny Maratha. Tamin' ny taona 1600 dia notafihan' ireo firenena eorôpeana i India, ary voazanaky ny Britanika tanteraka izy io nanomboka tamin' ny taona 1856 hatramin' ny taona 1947.

Taorian' ny 1947, i India dia nanana toe-karena sôsialista voalahatra. Anisan' ny firenena mpikambana nanorina ny hetsiky ny tsy mpanaraka ary ny Firenena mikambana i India. Niatrika ady maro izy io taorian' ny fahaleovantenany tamin' ny Fanjakana Mikambana, anisan' izany ny ady tamin' ny taona 1957-58, 1965, 1971 ary 1999 tamin' i Pakistàna ary ny adin' ny 1962 tamin' i Sina. Niady ihany koa izy io mba haka an' i Goa, izay seranana natsangan' ny Pôrtogey, ary tsy azon' i India raha tsy tamin' ny taona 1961. Nandà ny Pôrtogey ka voatery naka azy an-keriny ny Indianina. Nanao fanandramana nokleary ihany koa i India tamin' ny 1974 sy 1998, ary anisan' ireo firenena vitsy manana fitaovam-piadiana nokleary. Anisan' ireo toe-karena mitombo haingana indrindra eto an-tany ny toe-karen' i India nanomboka tamin' ny taona 1991.

Taona taloha[hanova | hanova ny fango]

Andron'ny reforma[hanova | hanova ny fango]

India islamo[hanova | hanova ny fango]

India Eoropeana[hanova | hanova ny fango]

Lalan'ny fahaleovantena[hanova | hanova ny fango]

Fizarana manaintaina[hanova | hanova ny fango]

Pôlitika[hanova | hanova ny fango]

National symbols of the Republic of India (Official)
National animal 2005-bandipur-tusker.jpg
National bird Pavo muticus (Tierpark Berlin) - 1017-899-(118).jpg
National tree Banyan tree on the banks of Khadakwasla Dam.jpg
National flower Sacred lotus Nelumbo nucifera.jpg
National heritage animal Panthera tigris.jpg
National aquatic marine mammal PlatanistaHardwicke.jpg
National reptile King-Cobra.jpg
National heritage mammal Hanuman Langur.jpg
National fruit An Unripe Mango Of Ratnagiri (India).JPG
National temple New Delhi Temple.jpg
National river River Ganges.JPG
National mountain Nanda Devi 2006.JPG

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

An' i India ny ankabiazan' ny Zana-kôntinenta Indianina. Miraikitra amin' i Aostralia ilay zana-kôntintenta amin' ny resaka plaky: ny plaky Indô-Aostralianina. Mikasika kely ny tendrombohitra Himalaya ny avaratr' i India. Eo antsimon' i Himalaya dia misy saha tena mahavokatra indrindra any India: ny tany Indô-Ganjetìka no anaran' izy io. Any andrefana, misy ny tanimatin' i Thar. Any antsimo, dia misy lembalemba voafaritra any avarany amin' ny Gaty Andrefana sy any antsinanany amin' ny Gaty Antsinanana.

Fizaràn' ny faritany[hanova | hanova ny fango]

Anarana Renivohitra Teny ofisialy Velarantany (km²) Isam-ponina (2001) Natsangana tamin'ny
Andhra Pradesh Hyderabad Telogo 276 754 76 210 007 1956
Arunachal Pradesh Itanagar Hindy 83 578 1 097 968 1987
Assam Dispur Asamey 78 438 26 655 528 1947
Bengala Andrefana Kolkata Bengaly 88 752 80 176 197 1960
Bihar Patna Hindy 94 163 82 998 509 1947
Chhattisgarh Raipur Hindy 135 133 20 833 803 2000
Goa Panaji Kônkany 3 702 1 347 668 1987
Gujarat Gandhinagar Gujarati 196 024 50 671 017 1960
Haryana Chandigarh Hindy 44 212 21 144 564 1966
Himachal Pradesh Shimla Hindy 55 673 6 077 900 1971
Jammu-sy-Kasimira Srinagar Kasmiry, ordo 222 236 10 143 700 1947
Jharkhand Ranchi Hindy 79 714 26 945 829 2000
Karnataka Bangalore Kanada 191 791 52 850 562 1956
Kerala Trivandrum Malaialama 38 863 31 841 374 1956
Madhya Pradesh Bhopal Hindy 308 000 60 348 023 1956
Maharashtra Mumbai Maraty 308 000 96 878 627 1960
Manipur Imphal manipory 22 356 2 166 788 1972
Meghalaya Shillong Garô, kasy, anglisy 22 489 2 318 822 1972
Mizoram Aizawl Mizo, anglisy 21 087 888 573 1987
Nagaland Kohima Anglisy 16 527 1 990 036 1963
Orissa Bhubaneswar Ôria 155 842 36 804 660 1949
Penjab Chandigarh Penjaby 50 362 24 358 999 1956
Rajasthan Jaipur Hindy 342 239 56 507 188 1956
Sikkim Gangtok Nepaley 7 107 540 851 1975
Tamil Nadu Chennai Tamily 130 058 62 405 679 1956
Tripura Agartala Bengaly 10 477 3 199 203 1972
Uttarakhand Dehradun Hindy 53 483 8 489 349 2000
Uttar Pradesh Lucknow Hindy 236 286 166 197 921 1950


Fiteny any India[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny any India dia maro dia maro sady ao amin' ny fianakaviam-piteny maro samihafa. Ny fanisana natao tamin' ny taona 2011 dia nahitana fiteny miisa 270, ka ny 122 dia fiteny lehibe (be mpampiasa). Ny lalàm-panorenana indiana dia manao ny 22 amin' ireo fiteny ireo ho fiteny ôfisialy. Ny 77 %n' ny vahoaka indiana dia miteny fiteny indô-ariana (ka ny be mpiteny indrindra dia ny fiteny hindy izay fiteny nibeazan' ny olona miisa 422 tapitrisa, izany hoe 41 %n' ny mponina, sady fiteny ôfisialin' ny governemanta afovoany), ny 20 %n' ny mponina no miteny amin' ireo fiteny dravidiana. Ny fianakaviam-piteny hafa hita ao India dia ny aostrôaziatika, ny sinô-tibetana ary ny tai-kaday. Ny fiteny anglisy dia fiteny voalohany na faharoa safidin' ny 12 %n' ny mponina.

Distrikan'i Uttar Pradesh India[hanova | hanova ny fango]

  1. Aligarh (Aligarh)
  2. Ayodhya (Ayodhya)[1] Faizabad
  3. Agra (Aagra)
  4. Ambedkar Nagar (Ambedkar Nagar)
  5. Azamgarh (Azamgarh)
  6. Amethi (Amethi)
  7. Amroha (Amroha)
  8. Auraiya (Auraiya)
  9. Bijnor (Bijnor)
  10. Ballia (Ballia)
  11. Balrampur (Balrampur)
  12. Bhadohi ([2])(/ Sant Ravidas Nagar)
  13. Badaun (Budaun)
  14. Barabanki (Barabanki)
  15. Basti (Basti)
  16. Bareilly (Bareilly /))
  17. Bahraich (Bahraich /))
  18. Bagpat (Bagpat)
  19. Bulandshahar (Bulandshahar)
  20. Banda (Banda)
  21. Chitrakoot (Chitrakoot)
  22. Chandauli (Chandauli)
  23. Deoria (Deoria /))
  24. Etawah (Etawah)
  25. Etah (Etah)
  26. Farrukhabad (Farrukhabad) /)
  27. Fatehpur (Fatehpur)
  28. Firozabad (Firozabad)
  29. Ghaziabad (Ghaziabad)
  30. Gorakhpur (Gorakhpur)
  31. Gautam Buddha Nagar (Gautam) (/ buddha nagar)
  32. Gonda (Gonda)
  33. Ghazipur (Ghazipur)
  34. Hathras (Hathras)
  35. Hamirpur (Hamirpur) /)
  36. Hardoi (Hardoi)
  37. Hapur (Hapur /))
  38. Jaunpur (Jaunpur)
  39. Jalaun (Jalaun)
  40. Jhansi (Jhansi)
  41. Kanpur Dehat (Kanpur dehat)
  42. Kushinagar (Kushinagar)
  43. Kanpur Nagar (Kanpur nagar)
  44. Kannauj (Kannauj)
  45. Kaushambi (Kaushambi)
  46. Kasganj (Kasganj)
  47. Lakhimpur Kheri (Lakhimpur kheri)
  48. Lucknow (/ lucknow [3]
  49. Lalitpur (Lalitpur)
  50. Muzaffarnagar (Muzaffarnagar /))
  51. Mahoba (Mahoba ))
  52. Mirzapur (Mirzapur [4])
  53. Moradabad (Moradabad ))
  54. Meerut (Meerut)
  55. Mau (Mau)
  56. Maharajganj ( Maharajganj /))
  57. Mathura (Mathura /))
  58. Mainpuri (Mainpuri)
  59. Prayagraj (Prayagraj) / former name - Allahabad)
  60. Pilibhit (Pilibhit)
  61. Pratapgarh (Pratapgarh)
  62. Raebareli (Raebareli)
  63. Rampur (Rampur)
  64. Sonbhadra (Sonbhadra)
  65. Shamli (Shamli)
  66. Saharanpur (Saharanpur)
  67. Sambhal (Sambhal)
  68. Sultanpur (Sultanpur)
  69. Sitapur (Sitapur)
  70. Sant Kabir Nagar (Sant kabir nagar)
  71. Siddharth Nagar (Siddharth nagar)
  72. Shahjahanpur (Shahjahanpur)
  73. Shravasti (Shravasti)
  74. Unnao (Unnao [5]
  75. Varanasi (Varanas/ i) [2]

Ireo fiteny indô-ariana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny indô-ariana dia sampana iray ao amin' ireo fiteny indô-iraniana, izay ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Ao Azia Atsimo no tena ahitana olona maro miteny azy ireo, isan' izany ny ao India.

Fiteny indô-ariana be mpiteny indrindra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny hindỳ dia tenim-pirenen' i India. Misy 480 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny azy, 360 tapitrisa amin' ireo no manana ny fiteny hindỳ ho tenin-dreny. Amin' ny tapany avaratra amin' i India no misy ny ankabeazan' ny mpiteny hindỳ. Ny fiteny ordò dia mitovitovy amin' ny fiteny hindy.

Ny fiteny bengaly dia fiteny tenenina indrindra any India atsinanana, nefa tenenina koa any Bangladesy, anisan' ny teny ôfisialin' i India, indrindra any amin' ny faritan' i Bengal Andrefana sy any Tripura.

Ny fiteny maraty dia fitenin' ny olona miisa 75 tapitrisa any ho any India, indrindra ao amin' ny fanjakan' i Maharashtra sy Goa. Ny fiteny maraty dia iray amin' ireo fiteny ôfisialy any India.

Fiteny indô-ariana hafa[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ireo fiteny indô-ariana be mpapiasa ao India koa ny fiteny gojaraty sy ny fiteny ôdià (na ôrià) ary ny fiteny penjaby. Ny fiteny gojaraty no fiten' ny tompontanin' i Gujarat, izay ampiasain' ny olona miisa 46 tapitrisa any India sy maneran-tany.

Ireo fiteny dravidiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny dravidiana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa 30 any ho any izay samy avy ao India avokoa, ka tenenina indrindra ao atsimon' i India. Ny tena be mpampiasa dia ny fiteny telogo, ny fiteny tamily, ny fiteny malaialama ary ny fiteny kanada.

Fiteny dravidiana be mpiteny indrindra[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny telogo dia fiten' ny olona miisa 70 tapitrisa any ho any, tenenina indrindra any amin' ny faritra Andhra Pradesh, izay manao azy ho fiteny ôfisialy io. Fiteny ôfisialy ihany koa izy any amin' ny faritra Karnataka sy Maharashtra ary any Orissa.

Ny fiteny tamily dia fiteny ôfisialin' i Tamil Nadu sy ny tananan' i Pondichery ary Karîkâl.

Fiteny dravidiana hafa[hanova | hanova ny fango]

Anisan' ny fiteny dravidiana be mpiteny koa ny fiteny kanada sy ny fiteny malaialama. Ny fiteny kanada dia fiteny any amin' ny tapany atsimon' i India, fiteny ôfisialin' i Karnataka, ampiasain' ny olona miisa 45 tapitrisa any ho any. Ny fiteny malaialama dia anisan' ny fiteny tenenina any amin' ny tapany atsimon' i India koa, fiteny ôfisialin' ny faritany mizakatenan' i Kerala, fiteny ôfisialy ao amin' ny faritan' i Lakshadweep sy any Pondicherry, fiteny ôfisialin' i India ihany koa, izay misy mpiteny miisa 35,9 tapitrisa any ho any.

Ireo fianakaviam-piteny sy vondrom-piteny hafa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny aostrôaziatika[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsina any India. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any atsinana any India ireo fiteny ireo. Miisa 10 tapitrisa ny mpiteny aostrôaziatika any India, 6 tapitrisa ny mpiteny sinô-tibetàna, izany hoe 3 %n' ny mponina. Anisan' ny fiteny aostrôneziana ny fiteny kasy (khasi) sy ny fiteny monda (munda) ary ny fiteny santaly (santali). Anisan' ireo fiteny ao amin' ireo nosy Nicobar. Ankoatry ny fiteny kasy sy ny fiteny santaly dia fiteny tandindomin-doza ny fiteny aostrôaziatika ao India.

Fiteny sinô-tibetana[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny sinô-tibetana dia fianakaviam-piteny any Azia Atsinanana sy Azia Atsimo-Atsinanana sy Azia Afovoany ary Azia Atsimo, izay misy mpiteny koa any India.

Fiteny tai-kaday[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny tai-kaday dia fianakaviam-piteny tenenina ao amin' ny saikanosin' i Indôsina sy any amin' ny faritra atsimo ao Sina, izay misy mpiteny koa any India.

Fiteny andamaney[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny any Andamàna dia vondrom-piteny ao amin' ny nosy Andamàna tenenin' ny tompon-tany andamaney. Misy vondrona roa ao amin' izany fianakaviam-piteny izany, dia ny fiteny andamaney lehibe sy ny fiteny andamaney avaratra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Topi-maso[hanova | hanova ny fango]

Etimôlôjia

Tantara

Jeografia

Fahasamihafan-javamiaina

Politika

Fifandraisana amin'ny any ivelany ary tafika

Toe-karena

Demôgrafia

Kolontsaina

  1. "South India". Suni System Ltd.. 2007. Retrieved 2007-06-19.
  2. https://lionjek.com/sitemap_index.xml