WordPress.org

Malagasy

Hanomboka

Mpampiasa WordPress an-tapitrisa manerana an'izao tontolo izao no mampiasa ny tahirim-bika WordPress. Afaka sintomina avy amin'ny WordPress.org ny bika ao amin'io tahirim-bika io, ary azon'izy ireo atao ihany koa ny mampiditra azy avy hatrany avy ao amin'ny pejy fiasana amin'ny tranonkalany.

Rehefa mampiantrano ny bika amin'ny WordPress.org ianao dia mahazo :

Tsy hoe hampiantrano ireo bika rehetra misy eran'izao tontolo izao akory no tanjon'ny tahirim-bika, fa hampiantrano ireo bika WordPress open source tsara indrindra. Toy ny fahalalahana amin'ny fampiasana WordPress mihitsy ny fahalalahana azo amin'ireo bika ampiantranoina ao amin'ny WordPress.org : GPL 100% izy ireo.

Toromarika & tahiri-kevitra

Mba ho azo antoka hoe hahazo fahafaham-po ny mpampiasa WordPress dia mandalo fanadiadiana avy amin'ny Ekipa mpanao sivana avokoa ny bika rehetra ao amin'ny tahirim-bika. Manasa anao hamaky ny torolalana mialoha ny andatsahanao ny bika namboarinao.

Tsy ho ekena ireo bika avy amin'ny tranonkala manolotra bika tsy mampiasa GPL sy tsy mahafeno ny fepetra takiana amin'ny sivana.

Ho hadihadiana araka ny Theme Unit Test data ny bika atolotrao. Andramo amin'io singa io aloha ilay bika mialoha ny hanoloranao azy.

Ahitana tahiri-kevitra fanampiny ho an'ny mpikirakira kaody ao amin'ny Torolalana ho an'ny mpikirakira kaody.

Midira ao amin'ny Forum momba ny bika sy ny lasitra raha misy fanontaniana momba ny fanamboarana bika.

Alatsaho ny bika namboarinao