Installation

Anisan’ny mampalaza indrindra ny WordPress ny fahafahana manao ny installation ao anatin’ny 5 minitra monja ! Toy izao ny fanaovana azy :

  1. Raha mbola tsy anananao dia misintòna WordPress
  2. Mamoròna base de données MySQL ho ampiasaina.
  3. Apetraho amin’ny toerana tianao hampiasana azy ireo fichiers an’ny WordPress:
  • Raha tianao ho ampiasaina amin’ny fototry ny anaran-tranonkalanao ny WordPress (ohatra: https://example.com/ ) dia raiso ireo fichiers ao anatin’ny dossier WordPress nosintomina ka apetraho amin’ny dossier fototry ny tranonkalanao (matetika dia ao amin’ny dossier /public_html/ ).
  • Raha tianao ho apetraka ao anaty ampahan’ny tranonkalanao ny WordPress (ohatra: https://example.com/blog/ ) dia raiso ireo fichiers ao anatin’ny dossier WordPress nosintomina ka apetraho anaty dossier mitondra ny anarana nosafidianao. Ohatra: Raha tianao hipoitra amin’ny https://example.com/blog/ izy dia apetraho anaty dossier /public_html/blog/
  1. Farany, sokafy amin’ny navigateur ilay URL tokony hisehoan’ny WordPress ary araho ny toromarika.

Vita ! Efa mandeha amin’izay ny WordPress.

Ny ankamaroan’ireo mpampiantrano tranonkala ankehitriny aza efa manana tolotra ahafahanao mampiditra azy mbola tsotra kokoa.